Luke 21

1Jesosy nanopy maso ka nahita ireo lehilahy manan-karena izay nandrotsaka ny fanatitr’izy ireo tao amin’ny fandatsahan-drakitra. 2Nahita mpitondra-tena mahantra iray nandrotsaka farantsa roa tao Izy. 3Ka hoy Izy hoe: “Lazaiko marina aminareo, ity mpitondra-tena mahantra ity dia nandrotsaka betsaka noho izy rehetra. 4Ireo rehetra ireo dia nanome fanatitra araky ny haben’ny hareny. Fa ity mpitondra-tena ity, tamin’ny fahantrany, dia nandrotsaka ny fivelomany rehetra.”

5Raha nisy maro niresaka momba ny tempoly, fa voaravaka vato tsara tarehy sy fanatitra izany, dia hoy Izy hoe: 6“Fa ny amin’ireo zavatra hitanareo ireo, mbola ho avy ny andro izay tsy hisy na vato iray aza hijanona amin’ny hafa ka tsy ho ravaina.”

7Koa nanontany Azy izy ireo, nanao hoe: “Ry mpampianatra, rahoviana ireo zavatra ireo no hitranga? Inona no famantarana rehefa hitranga ireo zavatra ireo?” 8Jesosy namaly hoe: “Mitandrema mba tsy ho voafitaka ianareo. Fa maro no ho avy amin’ny anarako, hanao hoe: ‘Izaho no izy,’ ary, ‘Efa akaiky ny fotoana.’ Aza manaraka azy ireo. 9Rehefa mandre ady sy fikomiana ianareo, dia aza mihorohoro, fa ireo zavatra ireo dia tsy maintsy hitranga aloha, fa ny farany dia tsy hitranga eo noho eo.”

10Ary hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Ny firenena dia hitsangana hanohitra firenena, ary fanjakana hanohitra fanjakana. 11Hisy horohoron-tany lehibe, ary mosary sy areti-mandringana any amin’ny toerana samihafa. Hisy tranga mampatahotra ary famantarana lehibe avy any an-danitra.

12Fa mialohan’ireo zavatra rehetra ireo, dia hisambotra anareo izy ireo ary hanenjika anareo, hanolotra anareo ao amin’ny synagoga sy ny figadrana, hitondra anareo eo anoloan’ireo mpanjaka sy ireo mpanapaka nohon’ny anarako. 13Izany dia hanome fahafahana ho amin’ny fijoroanareo vavolombelona.

14Noho izany dia manapaha hevitra ao am-ponareo mba tsy hanomana ny fiarovanareo mialohan’ny fotoana, 15fa Izaho hanome teny sy fahendrena anareo, izay tsy afaka toherina sy lavin’ireo mpanohitra anareo.

16Fa ianareo koa dia ho atolotry ny ray aman-dreny, ireo rahalahy, ireo havana sy ireo namana, ary izy ireo dia hamono ho faty ny sasany aminareo. 17Ho halan’ny tsirairay noho ny anarako Ianareo. 18Fa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ny lohanareo aza. 19Amin’ny faharetanareo no hamonjenareo ny fanahinareo.

20Rehefa hitanareo voadidina miaramila Jerosalema, dia fantaro fa efa akaiky ny faharavany. 21Dia aoka ireo izay any Jodia handositra any an-tendrombohitra, ary aoka ireo izay any afovoan’ny tanàna hiala, ary aza avela hiditra ao ireo izay any ambanivohitra. 22Fa ireo no andron’ny valifaty, mba ho tanteraka ireo zavatra rehetra efa voasoratra.

23Loza ho an’ireo izay mitondra vohoka sy ho an’ireo mampinono amin’izany andro izany! Fa hisy fahoriana lehibe eo amin’ny tany, ary hatezerana amin’io vahoaka io. 24Ho lavon’ny sabatra izy ireo ary ho entina ho babo any amin’ny firenena rehetra, ary Jerosalema dia ho voahosihosin’ireo Jentilisa, mandrapa-tanteraky ny andron’ny Jentilisa.

25Hisy famantarana eny amin’ny masoandro, eny amin’ny volana, sy eny amin’ny kintana, ary eto an-tany. Ho tra-pahoriana ireo firenena, hitaintaina nohon’ny eron-dranomasina sy ireo onja. 26Hisy lehilahy ho toran’ny tahotra sy ny fiandrasana ireo zavatra izay ho avy eto an-tany. Fa ho voahozongozona ny herin’ny lanitra.

27Avy eo dia ho hitan’izy ireo ny Zanak’Olona tonga eny amin’ny rahona miaraka amin’ny hery sy voninahitra lehibe. 28Fa rehefa manomboka mitranga ireo zavatra ireo, dia mitsangàna ary hasandrato ny lohanareo, satria efa akaiky ny fanafahana anareo.”

29Nanao fanoharana tamin’izy ireo Jesosy hoe: “Jereo ny hazon’aviavy, sy ireo hazo rehetra. 30Rehefa manaroka ireo, dia ho hitanareo manokana fa efa akaiky ny lohataona. 31Toy izany ihany koa, rehefa hitanareo mitranga ireo zavatra ireo, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.

32Lazaiko aminareo, marina tokoa, ity taranaka ity dia tsy ho faty mandra-pisehon’ireo zavatra ireo. 33Ny lanitra sy ny tany dia ho levona, fa ireo teniko dia tsy ho levona mandrakizay.

34Fa mitandrema amin’ny tenanareo, mba tsy ho vesaran’ny vokatry ny fisotroana sy ny fahamamoana ny fonareo, sy ireo ahiahin’ny fiainana, ka avy eo dia hikatona tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. 35Fa izany dia ho tonga amin’ny tsirairay izay miaina maneran-tany.

36Fa mba mailo amin’ny fotoana rehetra, mivavaha mba ho ampy hery ianareo handosirana ireo zavatra rehetra izay hiseho, ary hitsanganana eo anoloan’ny Zanak’Olona.”

37Koa nandritry andro dia nampianatra tao amin’ny tempoly Izy, ary ny alina dia nandeha nivoaka Izy ary nijanona teo an-tendrombohitr’Oliva. Ireo vahoaka rehetra dia tonga vao mangiran-dratsy mba hihaino Azy tao amin’ny tempoly.

38

Copyright information for PltULB